IALAKO TSINY (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ialako tsiny raha toa
ka ny fandalovako niserana, tao an-tokantranonao
no nahatonga anao hiova, sy hitomany toy izao

Ialako tsiny raha toa
ka ny fiserananao namangy, sy nitsidika ahy taty
no nanova anao tanteraka, ho resy sy latsaka fitia

Ialako tsiny raha toa
ka ny fikipikitra am-pandriana, ny oroka sy safosafo
no nampilofika anao, ka nampilatsa-dranomaso

Ialako tsiny raha toa
ka ny ali-mamy nitambarana, ireo ditra zary fahotana
no nampandemy ny fonao, ka iny ianao lasa tamana

Ialako tsiny raha toa
ka ny hafanan'ny vatantsika, tamin'ilay fitia izay nangalarina
no nahatonga anao hiteny; hoe andao tohizana hitarina

Ialako tsiny raha toa
ka izany rehetra rehetra izany, no mitady koa hampikoro
ny fiainantsika izay nilamina, s'ireo ho avy saika hajoro

ka ialako tsiny izany
fa aleo hivalona any

Fa aleo re ho tantara, sy ho avy vaovao
no samy hiainantsika roa, na ny ho ahy, na ny ho anao,

Fa aleo re horesena, izao filavoan'ny fo izao,
ka hofafana miandalana ireo zavatra natao,

Fa aleo re hohadinoina, ireo halatralatra sy ditra,
sao manimba sy mamingana, ireo faniriana anatitsika

Fa aleo re hampanginina, ny hetaheta anaty lalina,
sao mamono ny fanahy, ka tsy ahitana tory ny alina

Fa aleo re himpirina any, izay tao anaty fonon-teny
sao mampijaly sy mamono raha tohizana ireny

Fa aleo re isika hionona, ka hampikombona ny vava,
k'ireo rehetra vita tany, andao tsy hatao tantara lava

Dia mbola ialako tsiny ihany
izany rehetra rehetra izany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1283 2
Mpakafy: ledada - scotlandyard
Hevitra mandeha
katiaa ( 08/02/2007 09:39)
ok
ledada ( 09/02/2007 07:26)
Tsara b fa tohizo ny tononkalo e! io ilay oe aleo entina à saina le izy fa ts ny sitraky ny FO no harahana, manjary very!
hery ( 13/02/2007 09:43)
ok hozy katiaa :-)
katiaa ( 17/02/2007 02:06)
ie ok hozizy za
Ryana ( 25/02/2007 16:33)
Mipao-tsatroka, Tompoko ô! Tsara dia tsara. Azoko tohizana na valiana?
Ryana
scotlandyard ( 25/02/2007 21:46)
malalaka ny fanehoan-kevitra eto Ryana a !!!
pissoa ( 27/02/2007 20:24)
mahafinaritra !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146