ILAY (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay fijeriko anao, somary malefadefaka iny
raha mifono hevi-dalina,dia aoka tsy ho tsiny

Ilay fibanjinako anao, ilay fitopy angalarina
dia midika zava-maro, izay tsy sarotra fantarina

ilay fitsikitsikiko iny , raha vao mahita anao,
tena te hanambara mafy, izay miafina ao am-poko ao

ilay hamiranako iny, tam'izato tsikinao
tena mahate-hanomboka, tantara hafa vaovao

ilay rehefa mandehandeha, irery iny isika roa
tsapako mihitsy hoe, tena mifankahazo am-po

ilay rehefa hody ianao, ka izaho ilay malahelo
dia mitondra nofy mamy , mamy ho tsiambaratelo

izany rehetra rehetra izany, , no natambatro , kajiako
ka mivaly toy izao : ianao anie ka tiako
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
984 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139