LASA BABONAO NY FOKO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa babonao ny foko
lasa babonao ny aiko
ka ny hazavana sy ny loko
zay manemitra ny saiko
dia ilay endrikao nitsiky tamiko
ka nitondra fifaliana
eny na dia hoe hindramiko
dia tiako foana hokafiriana

Lasa babonao ny foko
lasa babonao ny aiko
ka ny hazavana sy ny loko
zay manemitra ny saiko
dia ilay masonao izay te-hahalala
ireo zava-baovao rehetra
arahin-jery manadala
tiako ho ahy na dia voafetra

Lasa babonao ny foko
lasa babonao ny aiko
ka ny hazavana sy ny loko
zay manemitra ny saiko
dia ireo resatsika adaladala
ireo lasantsika, ireo tantara
ireo teny enti-mifanala
sy ny sisa hainao tsara

Lasa babonao ny foko
lasa babonao ny aiko
ka ny hazavana sy ny loko
zay manemitra ny saiko
dia ilay fihainoana anao miteny
ireo taloha sy tamin'izany
hoe degany aho tamin'ireny
fa fiainana daholo izany

Lasa babonao ny foko
lasa babonao ny aiko
ka ny hazavana sy ny loko
zay manemitra ny saiko
dia ny fahitana ilay fitomboka
marika ao an-damosinao
te-hiteny hoe andao hanomboka
revy hafa vaovao

Lasa babonao ny foko
lasa babonao ny aiko
ka ny hazavana sy ny loko
zay manemitra ny saiko
dia izany rehetra rehetra izany
no sary hazavana loko
ka nahalasa ny vinany
ka nahababo izato foko
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2290 0
Hevitra mandeha
bichette ( 29/05/2007 15:07)
tiako be
scotlandyard ( 08/06/2007 19:50)
misaotra bichette
tonnyy ( 11/11/2007 18:12)
babo???? babo tokoa moa zany,iol ilay tononkalo mba niainako taloha angamba,e indrisy ankehitriny izy lasa mamendrofendro ahy,veloma enao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165