LOZANAO RY BIBIDIA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotr'ilay TSAMY iray izay , ho an'ilay TSAMY iray hafa any ho any . . .

LOZANAO RY BIBIDIA

Lozanao ry bibidia ...

Fa novirainao izato vatany
nozimbainao izato nofony
k'ankehitriny toa tsy fantany
izay ekena sy atosiny

Lozanao ry bibidia . . .

Fa nosetrainao izato fony
nampianao fikorontanana
ka ny ambany lasa ambony
ny havia lasa havanana

Lozanao ry bibidia . . .

Fa miozongozona ny tranony
misavoritaka ny fiainany
mitombo lava ireto anganony
mihabe ny taintainany

Lozanao ry bibidia . . .

Fa misavoro ny ankohonany
gidragidra lava izao
ka vao tonga eo an-tokonany
dia rafitr'ady noho ianao

Lozanao ry bibidia . . .

Ka izao no teniko aminao
ny ditranao re ajanony
atsaharo ny hetrakao
k'aza mahery setra intsony . . .
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1149 0
Hevitra mandeha
njafah ( 24/02/2007 07:17)
Miarahaba anao ary tena mankasitraka ny asa soratrao novakiko daholo ireo tononkalonao ha tena mandrisika anao hatrany amin`izany talenta anananao izany fa mambabo fo tanteraka. Misaotra dia mankahery hatrany an,
katiaa ( 25/02/2007 10:20)
ie marina zany ee
Ryana ( 25/02/2007 16:36)
Tohin'ilay hoe "IALAKO TSINY" ve ity?
Mankasitraka ê!
Ryana
scotlandyard ( 25/02/2007 21:49)
aingam-panahy hafa indray ity Ryana a
pissoa ( 27/02/2007 20:22)
tsara ... tiako ity ainga iray ity !
ledada ( 02/12/2007 09:13)
ny bibidia tsy mety ho voky
Fa @ fanomezan-toky
no mivelona sy miaina
mba hamoaka ranon'aina
scotlandyard ( 27/08/2008 22:26)
izay no mahabiby azy
tsy mba hoe mivazivazy
fa mody manome ny toky
amin izay i biby voky
atonamia ( 17/03/2009 12:04)
Rehefa biby biby foana
Tsisy voky tsisy noana
Fa mandripaka 'zay azo
Mamely an-jambany toy ny tazo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01