MIFONA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIFONA

Mifona aho, raha toa nanaiky
ilay tsapatsapa izay taraiky

Mifona aho raha toa nalemy
tamin'ireny oroka ireny

Mifona aho raha toa solafaka,
k'izao ianao toa zary tsy afaka

Mifona aho, raha tsy nandà
ilay tsikinao izay sahisahy

Mifona ahy raha toa nanaitra,
ilay sangiko sy angola vaitra

Mifona aho raha toa ka fy
no nivadika ho fitia

Mifona ahy raha toa nisesy
ny fandavoako anao ho resy

Mifona aho fa aok'izay
mireda ny afo ka sao may . . .
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1555 0
Hevitra mandeha
katiaa ( 08/02/2007 09:39)
ok
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165