Mifona aminao Andriamanitra (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifona aminao aho Andriamanitra
raha toa ka manana andriamani-kafa
ka izy no ataoko andriamanitra
ary koa andrianiko tsy mihafa

Mifona aminao aho Andriamanitra
raha toa ka izy indray no hivavahako
ka hafoiko azy ny tany sy ny lanitra
ny toerana hametrahako azy koa avahiko

Mifona aminao aho Andriamanitra
raha toa jemby tsy mahita afa-tsy izy
ary satriko ho ren-tany ho ren-danitra
fa ilay sampy izay tompoiko dia izy

Mifona aminao aho Andriamanitra
raha toa izy no mameno izato foko
fa izy no haingo, ravaka sy hanitra
fitiavana mirindra tsara loko

Mifona aminao aho Andriamanitra
ekeko hoe diso aho mitia azy
kanefa tsoriko aminao izaho salanitra
satria koa ny hasambarako dia azy

Mifona aminao aho Andriamanitra
aza omenao tsiny aho fa Tia
ekeko aho hoe milalao antsy maranitra
satria ny anay efa haiko tsy ho doria
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1222 2
Mpakafy: tsikikely - tifani
Hevitra mandeha
tsikikely ( 17/06/2007 06:35)
Andriamanitra indray aloha tsy atakaloko azy é.
Ryana ( 21/06/2007 13:31)
Lasa lavitra loatra kosa, raha ny fijeriko.
Ryana
tiff ( 14/03/2009 13:22)
tsara alo refa tsapanao oe antsy maranitra no lalaovinao e.@zay refa maratra enao mba tsy mahataitra anao tsony fa efa mba niomana enao
scotlandyard ( 24/03/2009 09:40)
izaho tia milalao antsy maranitra
indrindra moa izy raha toa ka manitra
Soarilala ( 07/11/2012 18:06)
ary ianao izany ange ka sahisahy
sa kosa tsisy zavatra mampanahy
na izany aza nefa tandremo ihany
fa sao dia hanenina any aoriana any
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3635