NA DIA LAVITRA AZA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA DIA LAVITRA AZA

na dia lavitra aza ny elanelan-tany
amintsika roa, tsy miteny izany,
fa ny antsika mantsy ny saina sy ny fo
na aiza misy antsika, miara-dia tokoa

ka na any ianao,ary izaho aty
ny hafatra apetrako, ampitaiko akia
dia izaho eto foana, ary ho mandrakizay
ilay "isika" antsika, ilay fitia mivaivay

ary tena haiko, fa ianao izay any
dia tena miaina, sy mahatsapa izany
ka na tsy miteny, dia efa haiko foana
fa ny fitiavantsika, "ho doria tsy ho foana"
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1552 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139