NANARAKA AHY (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanaraka ahy tanaty aliko
Ilay feonao niantso omaly
Ka ilay nofy novantaniko
Efa feno anao ilay falifaly

Nanaraka ahy tanaty esoko
Ilay tsikinao tan-tariby
Ho rakitra sy vetsovetsoko
Tanaty alin’ny Fitia

Nanaraka ahy tany am-pandriana
Ilay resakao feno fitiavana
Ireo nofinofy faniriana
Natory aho sady nitavana

Nanaraka ahy tanaty nofiko
Ilay endrikao hitako sary
Mbola reko tao an-tsofiko
Ilay feonao , sy ilay kabary

Nanaraka ahy , nameno ny alina
Ilay Ianao iray manontolo
Ny fitiavantsika ve no lalina ?
Sa Fitia tsotra fa voakolo ?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
997 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142