You are here: home > Vetso

RESIM-PITIAVANA - SCOTLANDYARD

RESIM-PITIAVANA
Resim-pitiavana aho ka midanàka
Resy aho rey olona ka midonàka
Resy ahy satria reko hoe latsa-paka
Lasa fato-maty amin ny foko ilay faka

Resim-pitia ahy ka varimbariana
Resy sy lavo ka indro sondriana
Resy tokoa ka mifona fa resy
Fa nijery ireo sarinao ireo  nifanesy  

Resinao aho, dia babo indray
Tena mitovy amin ilay fahizay
Fony isika roa ilay samy tia
Kanefa tsy mba navela hiara-dia

Resy aho androany, mbola resy foana
Resy ny foko tsy haiko hoe ahoana
Resim-pitiavana mbola mikiry
Fitiavako anao tsy fahita firy


Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Soarilala (28/04/2010 14:36:25)

Teny resy v? Hahatsiarovana ny fahiny izy izany!

Hametraka hevitra

Midira aloha