SARIMIHETSIKA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARIMIHETSIKA


Izao sarintsarin-tsaraka lalaovintsika izao
izao sarisarin'ady niniana hoe hatao
ireo todika lamosina, sy fodian-tsy hita
ireo fodiana fanina tamin'ny zava-bita
ilay tsara vela-tsihy, fo mody mangatsiaka
ilay tsikin'hidy vazana, mody misariaka
izato sarimihetsika, hoe tsy mifankahalala
rehefa ety ivelany, samy mody adala

... dia tsoriko aminao ...

fa fiarovako antsika, fiarovako anao,
arofanintsika amin'izao tontolo izao
fitsinjovako ny ampitso sady aro riaka
sao tonga ny tokoa ka tapitra ny fika
isika tsy maintsy mailo, ary koa mitandrina
sao tonga eo ny tampoka, ka vaky eo ny handrina
kanefa akia tsarovy, fa izao no hatao,
dia fitiavako antsika, fitiavako anao,

... Tsarovy Tiako ianao ...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
938 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142