You are here: home > Vetso

SARINAO - SCOTLANDYARD

SARINAO

Mijery sy mibanjina
ireo sarinao
Dia lasa teo ny saiko
Ka iny aho manontany

Moa ve mitovy tanjona
Ny foko sy ny anao
Ny valiny tsy haiko
Fa mahalasa vinany

Dia sady maka fy
Ilay sarinao mitsiky
Ilay tsikinao tsy foiko
Dia verivery saina

Ahoana loatra akia
Fa dia nahoana iky
No feno anao foko
Ry olon-tiako hihantana ?

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha