TIAKO IANAO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO

Ato anaty hotakotaka sy tebitebin-tsaina
ato anaty hirifiry, ato anaty feritr'aina
no hanoratako anao

Ato anaty havizanana, ato anaty sorisory
ato anaty hakiviana,sy tsy fahampian-tory
no hanoratako anao

Ato anaty jalijaly, ato anaty roti-po
ato anaty faharesena, ato anaty vaky loha
no hanoratako anao,

Ifonako aminao ry tiako, raha tsy nambarako izany
fa nogiazako ho ahy, tao anatiko tomany
Ifonako aminao izany

Ifonako aminao ry tiako, raha tsy haiko ny nizara izany
fa nogadraiko ho ahy irery, ireto jaliko eto an-tany
Ifonako aminao izany

Ifonako aminao, ry foko raha mijaly aho ka besetra
ka ny teny izay navoaka, mbetika mahery setra,
Ifonako aminao izany

Fa ny ao anatiko rehetra, haiko f'efa fantatrao
ilay foko tena tia, tsy miafina aminao,
Tiako ianao

Ny saiko, vatako, fanahiko, efa tia anao daholo,
efa babonao tanteraka ilay "izaho" iray manontolo
Tiako ianao

Fa na dia feno adin-tsaina, na dia torovan-tsorisory
ny fitiavako anao, tsy miova tsy akory
Tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1485 0
Hevitra mandeha
Ryana ( 29/10/2007 14:15)
Tononkalo roa nosoratanao, mitovy ny lohateniny, mitpvy ny vontoatiny fa samy hafa ny fanehoanao azy!
Tsara be.
Ryana
tonnyy ( 08/11/2007 18:05)
eh sambatra raha samy sambatra lahy zany olo-tianao zany;indrisy angamba tsy tsapany.Mahereza an!Inoako fa tsy ho izaho irery no manana izao vetsovetsom-po izao:"raha mba izaho mantsy no hiantefan'izany F... izany an!"
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114