TIAKO ILAY DEVOLIKELY (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ilay devolikely
Mampahatsiahy anao ny fisiako
Mampahalala anao izay tiako

Tiako ilay anjelikely
Namanao ilay nampahendry
Ilay olonao voatendry

Tiako ilay devolikely
Mpanome fahotana anao
Ka nahenoako ny feonao

Tiako ilay anjelikely
Mampitony ny fonao
Hoe misy fetra tsy azo atao

Samy tiako izy roa
Fa ilay devolikely no
Angamba tiako kokoa

Fa izy no manampy ahy
Miteny hoe aza manahy
F’Ianao mbola hiantso ahy

Ka miala tsiny aho ry anjely
F’aleoko ilay devolikely
Mialà ianao tsikelikely

Dia miala tsiny aho ry anjely
Angamba ts’ianao velively
No tiako ho sakaizakely
--------
Rohy:
939 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144