VOATERY (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noteren’ny fotoana isika roa tsy hifanoratra
Noteren’ny fiainana, Noteren’ny rotoroto
Kanefa dia lazaiko anao, fa na ts’isy izay voasoratra
Dia tsy adinoko ianao, satria voasikotra ao am-poko

Noteren’ny tokantrano, isika roa hisara-dalana
Noteren’ny halavirana, sy ny tantara tsy hiara-dia
Kanefa izany rehetra izany, tsy hataoko hampialangalana
Ka ho fefy hampanadino, ilay fitia mpangala-dia

Noteren’ny asa isika, ka ny miantso aza sarotra
Noteren’ny elanelana, ka tsy afaka ny handoa-danitra
Kanefa tsotra no ambarako, ary tsisy ady varotra
Fa ianao no efa fiainako, na an-tany na an-danitra

Noteren’ny foko aho, ka nangalatra indray,
Notereny tsy hanadino, notereny koa hanoratra
Notereny aho anio, satria mafy sady mahamay
Ilay tsy mahare vaovao, na am-bava na an-tsoratra
--------
Rohy:
1202 0
Hevitra mandeha
Ryana ( 25/02/2007 16:40)
Ankafiziko... Asa angamba satria trangam-piainana efa nandalovana... Mankasitraka!
scotlandyard ( 27/02/2007 19:32)
Misaotra Ryana fa fiainana daholo izany a !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157