You are here: home > Vetso

" ty ataonao! " - Sedra

Mifoka ianao, dia misotro toaka ;
Tsy miraharaha ny masom-bahoaka ;
Ianao anefa vao  tonga any any an-trano;
Rehefa voaadina dia mitantara angano.

Ny fiainantsika hoy ianao fohy loatra,
Na izany aza anefa ny anao tafahoatra;
Tsy mba avadikao ho zavatra tsara,
Izao ataonao izao anie ka voarara!

Aiza ve  ka atao daholo izay mahafa-po,
Tsy hankieritreritra na ratsy na soa,
Tsy misy tsy atao izao rehetra izao,
Ny hafarany anefa hamotika anao!

Vao tonga ny hariva, masoandro mena
Hitako ianao mandehandeha eny an-tsena
Mitoditodika etsy , dia mitoditodik'eroa
Tsy mba mitotaly, tsy mba mivaky loha.

Tratra ianao ny alina mangalatra akondro,
Ny ampitson'iny ianao rehefa voatondro;
Dia lazainao fa tsy ianao tsy akory,
Fa ny olona no sady mandeha no matory.


Mombamomba

Mpanoratra : Sedra

Nampiditra : Sedra
Daty : 22/11/2003
Mpamangy : 3163
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Miora
Io fihetseham-po io
Diniky.nysaiko

Hametraka hevitra

Midira aloha