HANITRIN'IANA (Sento tokana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy voninkazo iray
Tena lafatra sy tsara,
Nisy tovovavy iray
Tena tsotra nefa tsara.


Raozy hono kay ny anaran'ity voninkazo ity
Izay tena lafatra sy manitra,
Fa mba iza kosa ny anaran'ity zazavay ity
Fa satriko ny ijery azy maharitra.


Tsy nisalasala ny tantely
Nanantona ny voninkazo,
Nefa zah somary natahotra kely
Nanantona ity sipa tena kanto.


Hanitra hono no anarany
Tena raitra sady lafatra
Satriko foana andray ny tananany
Tsy tiako raha isaraka.
Ny lalako rehetra
Toa feno ny endrikao
Ny fofona rehetra
Toa feno ny hanitrao.


Ilay tsikinao malefaka
Mameno ny tontoloko,
Ilay toetranao fandeferana
Tsy afaka fafana moramora.

Hanitra, lafatra ndry
Mapitapy maha lasa adala.
Sento tokana
--------
Rohy:
1114 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098