You are here: home > Vetso

Jamba ny fitia - Sento tokana

Fa naharitra hafiriana moa?
no nibanjinako anao
fotoana tahakany inona ?
no nandinihiko anao
ka toa zary jamba aho
jamba ny fitiavako anao

        Fa mba litatra firy moa?
        no nogohiko
        ary " tige" firy?
        no nofohiko
        ka zary domelina aho
        domelin'ny fitiavako anao

Mamo aho ankehitriny
ka mitabataba, mirediredy
mivazavaza mibedibedy
satria mamo ny fitiavako anao

       tonga adaladala, verivery saina.

                            Sento tokana

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha