You are here: home > Vetso

Nohezahiko nohadinoina - Sento tokana

Nohezaiko nohadinoana,
Ny lasa-tsikaroa.
Nofafako tsy hotsaroana,
Ireo zava-bita taloha.


Nefa tsy mety voafafako
Tsy mety hadinoina,
Fa mitamberina ao antsaiko
Mipetraka ao ampoko.



Nohezahiko nofafana daholo
Ny fahatsiarovana tsara na ny ratsy,
Fa ny foko mihitsy no tsy voakolo
Ka zary tsy mahatanty.



Hofafako de hoadinoko
Ny anaranao ry ilay tsy foiko
Fa rehefa tsy vitako izany
De aleoko mandao ny tany.


Satria tiako ianao
Nefa ianao tsy ho ahy
De aleoko maty
Mody any amin'i Ray.

                              Sento tokana

Sokajy : embona, Fisarahana

Hametraka hevitra

Midira aloha