You are here: home > Vetso

Ny zanako - Sento tokana

Zanako o
etsy ho fihiniko ianao
fa maha ontsa ahy
ny mahitanao manganoano
mahavaky ny foko
ny mandre ny sentonao.

           Zanako a!
           mbola zaza ianao
           dia aza miheritreritra akory
           izay mbola hoavinao
           fa tsy maintsy ho tafitako ianao.

zanako
avia manantona,
etsy hofafako
ny ranomasonao
dia mangina sombiniaiko
fa tsy zakako izao.

         I neny lesy tian'lah foana
         itoetra anilanao
        hanome fitiavana ary tsy handao
        fa iny rain'ilahy iny
        avelao handeha fa tsy misaina

zanako a
aza malahelo azy ah
avy ianao ho ampofoiko
andao isika lesy hilalao a
avy ianao trotroiko

     sombiniako a
    "TIAKO MOA ELAH A"
                                        Sento tokana

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha