You are here: home > Vetso

satria tsy hofoana ny sento - Sento tokana

Sento malefaka
Tsy misy mamaly,
Olona efa ketraka
Toa mijalijaly.


Senton'alahelo
Tsy misy mandre,
Ilay fo mamelovelo
De mba ahoana re?


Senton'irifiry
Tsy misy mahita,
Ilay fitia mankadiry
Toa zary tsy tafita.

Sentom-pijaliana
Tsy misy ipetrahana,
Tsy mapatory ampadriana
Tsy mamela an-dalana.


Senton'ahiahy
Tsy ahy afenina,
Ka mankarary ahy
Mafy tsy telina.

                              Sento tokana

Hametraka hevitra

Midira aloha