You are here: home > Vetso

Sentoko iny - Sento tokana

Sento malefaka
Tsy misy mamaly
Olona efa ketraka
Toa mijalijaly

Senton'alahelo
Tsy misy mandre
Ilay fo mamelovelo
De mba ahoana re?

Senton'irifiry
Tsy misy mahita
Ilay fitia mankadiry
Toa zary tsy tafita

Sentom-pijaliana
Tsy misy ipetrahana
Tsy mapatory ampadriana
Tsy mamela an-dalana

Senton'ahiahy
Tsy ahy afenina
Ka mankarary ahy
Mafy tsy telina.
              
                                                               Sento tokana

Hametraka hevitra

Midira aloha