You are here: home > Vetso

Izy... - sergio RF

Hazavana anaty haizina
Hamamiana anaty ngidy
Hafaliana tsy nampoizina
volamena sarobidy

Zazavavy toy ny raozy
Maniry eo an-jaridaina
Miravak'eo ambony vazy
Mampilamina ny saina

Ny fitsikinao izay kanto
Ny enrikao toa bikaina
Ny feonao izay milanto
Ianao angamba ilay Andraina

Ka feno loaatra izany foko
feno hafanana sy fitia
Ka tsy hataoko an-tsokosoko
Ka ny antsika ho doria

Sergio RF

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : sergio RF


Nampiditra : sergio RF
Daty : 14/05/2018
Mpamangy : 130
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Ry Malagasy!!

Hevitra mandeha

sergio RF (19/05/2018 16:51:24)

Atolotro ho anao ity tononkalo ity

Hametraka hevitra

Midira aloha