Iray Ray (Sitlo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba mangataka aho ry Ray
Ny hitahianao ireo ray
Mba ampio, omeo fitia
Fa mafy loatra izato dia

Ho an'ireo mpifoha maraina
Mba ombao ny tohan'aina
Ka na be na kely arapany
Dia Ianao no toky fantan

Ho an'ireo mpikarama tena
Mba tantano tsy hivena
Ka ny zotom-po re hananany
Ary hotsinjovinao ny lalany

Ho an'ireo mandeha miasa
Mba ampitomboy re ny rasa
Ka avelao mba ho hitany
Ny vokatry ny asa vitany

Mety tsy ho voatananisa
Tena vavaka, tsy visa
Hoe mba mangataka aho ry Ray
Ny hitahianao ireo ray
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1627 1
Mpakafy: volana1
Hevitra mandeha
pissoa ( 26/08/2007 20:39)
Indrindra fa i Dadanay :-P
Malalason ( 30/08/2007 14:36)
sô de fetsy pissoa!!!! na babanay ko ngeh mba mila fitahiana e!
hihihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitlo
Nampiditra : sitlo
Daty : 26/08/2007 03:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138