You are here: home > Vetso

MASIAKA IANAO RY FIARAHAMONINA rilaodid - Sitlo

Vao maraina aho no nividy sakay
Ny fofony aloha d'efa nahavaivay
Diampolo ariary ny tokony iray
Fa raha maka maro dia ambanin'izay

Falifaly ery mama fa nahazo laoka
Naniraka anjanany fa kamo nivoaka
Narotsany ny vary izay telo kapoaka
Nojereko izy fa mbola nanoaka

mamy ianao ry fiarahamonina

Nony tonga ary ny mitatao vovonana
Dia avy izahay samy nazoto omana
Dia samy nitsiky toa andro lanonana
Ny ranon'ampango nifampitolomana

Toa tsapako nafana ny traotraoka
I dada notazaniko fa nikaokaotra
Njoky sy njandry samy nitana saoka
Ny ahy ny masoko efa nila nivoaka

masiaka ianao ry fiarahamonina

Lazaiko ny olana taorianan'izay
Nony efa nilamina naka aina izahay
Dia "avy nikapa aho" hozy ranjokinay
"Fa tena nafana hatramin'ilay andro"

masiaka ianao ry fiarahamonina

Sokajy : Hatsikana, Malalaka

Hevitra mandeha

lanto (04/08/2007 20:53:22)

tsss.... inona ary izany soratan'ity sitlo :-p

karako (16/08/2007 21:33:30)

lasa be ny saiko...

pissoa (26/08/2007 22:38:56)

ha ha ha !

tiaraj (05/02/2008 20:19:04)

penina mahatsiravina refa lasan'ny aingampanahy fa mahavoaka zavatr tsara ka!

Masoandro Mainty (17/02/2017 13:14:49)

Mahay!
tsisy afa-tsy zay
no mahalaza
fa izy dia malaza
malaza ho mahay
ary tena mahay

Hametraka hevitra

Midira aloha