Kopakopaka (Sitraka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reko tao ho ao
Fa lasa hono ianao
Nanjavona tsy hita
Nisosa ianao ka nita.

Dia reko ihany koa
Fa ny dinantsika roa
Nentinao nidify
Ka tsy nanana tandrify.

Nadio ankehitrio ny rano nitana.
Dify rahateo ny laka-nisosana.
Embona sisa no azo tantaraina.
Ny fandinoana no indro andrandraina.

Kopakopaka mahalana ho anao ry olon'iny
Fa samy mpandalo ary koa mpivahiny.
Indray andro any raha avelan'ny fotoana
Tsy maintsy hifanena ary mbola hihaona.

Sitraka
26/09/2015 21h36
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1009 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitraka
Nampiditra : sitraka feno tanteraka
Daty : 26/09/2015 19:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137