MPAMOSAVY !!! - Sitrak'i Ny AVO

Mpanoratra : Sitrak'i Ny AVO
Nampiditra : Sytraka
Daty : 25/07/2013
Mpamangy : 184
Isa : 0
Fidio :







MPAMOSAVY !!!

Raha sendra harivariva
Na koa efa  hadivadiva,
Ny amin’ny folo alina,
Mba mahaiza malimalina
Fa Rafotsibe mijoko
No indro mitakoko
Miandr anao ambody hazo,
Mody hoe malazolazo,
Fa tsy fantatrao ny heriny,
Na ‘zay mety ho feriny,[aza]
Tsy ho tsaroany izany,
vetso.serasera.orgFa eo antokoany,
Ny fotoanan’izy ireo,
Mody ratsy feo ,
Fa mahery vaika.
Tsy hafa higaika:
Raha sendra ka …

Fa raha zaho no sendra azy
Zaho tsy hivazivazy :
Hitondrasako kobay,
Na koa tapaka kitay
Holakoko, hoaratraiko.
Raha toa hifofo ny aiko.
Ataovy ange e!
'Zay mafy be !!!!!

Sitrak'i Ny AVO

Hametraka hevitra

Midira aloha