RAHA TOA... (Sitrak'i Ny AVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TOA...
Raha toa ilay fitiavako,
No holavinao hatrany,
Dia safidiko rahavako,
Ny handao izany tany,

‘ndeha hamonjy ilay toerana ,
Tsy haitako anao intsony,
Mafy laotra, tsy haiko ferana
Ilay fitiavana namony
Ilay fitiavana naharitra
No noforoniko ho anao,
Nampiadana finaritra,
No indro fa nolavinao

Ka indrisy fa niova,
Alahelo sy hirifiry;
Toy ireny trano hova :
Feno hahitra maniry,
Tsy hahitana mangirana,
Fa haizina no ao anatiny,
Ka ny foko manairana
Mafy laotra ka tsy tantiny.

Tsy tantiny tokoa,
Tena mafy izany,
Fa dia nahoana moa ?
Nohon’ny fiainana ihany.


Ka heritreritra no halefa
Hoe : “Rano very fotsiny ihany”,
Sa aiza re no miantefa ?
‘reo alahelo sy tomany !
Mirotsaka dia vita
Tsy hahitana fanafana
Aretim’po indray no hita
Hakivina miompampana.

Tsy azo hevirina intsony
Ny hiantoraka any indray
Fa ‘lay Ray ao ambony
Inoako fa hanome iray

Iray hampiadana ahy
Sy hahitako fifaliana
Lavitry ny haihay
Lavitry ny fijaliana

Ka hamiratra indray
‘lay hazavana tena tsara
Ka nakako pejy iray
Hanoratako ho tantara
Ilay tantaran’ny fitiavako
Ilay tantarako irery,
Izay tsy afaka ao mabavako
Izay mifono misitery.

Sitrak'i Ny AVO
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1076 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitrak'i Ny AVO
Nampiditra : Sytraka
Daty : 25/07/2013 11:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094