RAHOVINA NO HIFARANA ? (Sitrak'i Ny AVO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHOVINA NO HIFARANA ?
Dia izany foana ve ?
Ny amin’ity nosy ity,
Fa tsy hafaka handre,
Toa tsy ao ilay fitia,
Dia hoe: “Tanindrazako”
Fa ny faombiazako,
Izany no ilaiko,
Izay no andrandraiko,
Fa fahazoana fitondrana,
No miantoka ny fahandraharana,
Dia manao izay hitany,
Manao izay vitany :
Nitari-tolona,
Dia feno olona,
Dia hoe: “Revolisionina”
Dia nisy ireo nidemisionina,
Fa te hahazo fahefana ,
Tsy manaraka lalàna,

Nandravarava,
Namaoka vava,
Namotipotika ‘zay nisararany,
Ho an’ny zanaka amamparany.
Dia noterena hanolotena,
Ho maritioram-pirenena,
Dia novoniana, noratraina,
F’izay angamba no ilaina,
Mba hahazoana fandresena,
Ho fanavotam-pirenena !
F’izay angamba no mety,
Sy hampiova vetivety,
Ity tany, mitomany,
Nataon’ny mpanjanatany.

N’efa indrisy, toa tsy nisy
Na iray akory aza
No mba afaka hilaza,
Fa afaka ny fahoriany
Sy zay mety tsy fisiany
Teto amin’ny firenena
Mampahonena,
Raha jerena,
Fa tsy mety tonga saina
Na dia namoizana aina
Fa fanonganam-panjakana
No nahazoana fitondrana
Hatramin’izay, ka hatramin’izao
Tetezamita lava izao
Dia izany foana
Fa dia nahoana ?
Sa voaozona ty tany?
Sa zary lasa fomba tany?
Tsia !!!, sanatria !!!
Tsy ho lany olomanga
Tsy hanavahana saranga
Ity tanitsika ity.
Fa miankana, satria voasakana
Dia aleo mitony
Fa tsy fony,
Tsy tiany hijanona ny fony
Raha tsy miadanana ny taniny,
Tena maminy,
Sy lalainy,
Tsy ho zarainy,
Na amin’iza na amin’iza,
Fa azy, antsika irery
Tsy antery,
Ka tsy ho very,
‘Lay rà latsaka, nipatrapatraka
Zay natolon’ny razantsika,
Ho antsika,
Sy namohizany ny tenany
Ho an’ny firenenany

Dia aza tsiny raha dradraiko
F’ireo vahiny no mibaiko
Fa nahoana? Toa tsy haiko
Hazavao fa maizina amiko
Fa mahaleotena izany taniko
Ny tanintsika
Amin’ny ara-politika,
Ekonomika ,
Dia aiza ho aiza ry sakaiza?
Sa anarana nomena
‘Lay fahaleovantenampirenena
Mahonena !
Fa raha bakoina dia manaraka,
Tsy mba misy arakaraka,
Fa hoe: “Tapaka ny famatsiana”
Hiaina anaty fiajaliana,
Fa fiahafiana, raha tsy fisiana
No handresena fahoriana

Tsy zany laotra,
Fa tsy ao antsaina,
Fa tsy ao ampo,
‘lay fitiavana lazaina.
Izay tokoa
Fa vola ihany, vola hatrany,

Ka mifamofo aman’aina
Ny hamono ny ao antsaina
Dia zay lazaina,
Hitsikeraina ,
Ny avatsy,
Fa hoe : “Tatsy…”
Mba handresena
Izy midika ho harena
Andramena,
Volamena,
Dia ho to ny faniriany
Hitsahatra ny fahoriany

Dia mifona raha nadona
F’izay no ilaina
Hahatonga saina
Ka hamaliana ilaina fanotanina
Izay niniana tsy novaliana
Hoe :“Rahaoviana no hifarana ?”
Sy mba hisy fitsaharana
Rahoviana no hiato
Sa ve ato ato ?

Mbola baraingo
Tsy hay valina
Miampy faingo
Hampitoviana
Fa mbola mila fiomanana
Zay vao misy fifidiana
Tena tsara
Madio mangarahara
Ka hampiverina indray
Ilay toky hatrizay.

Sitrak'i Ny AVO
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Tanindrazana
1096 1
Mpakafy: Sytraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Sitrak'i Ny AVO
Nampiditra : Sytraka
Daty : 25/07/2013 12:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137