Iza Andriamanitra? (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io Andriamanitra io ry zoky
loharanom-pahasoavana
Io no hery sady toky
Andriamanitra fitiavana
Sanatrian'ny resaka!
aza dia manararaotra
ka hataka no betsaka
Mba mahaiza koa misaotra


Andriamanitra ry akama
tsy azonao takonana
sy ininao hanotàna,
avy eo mba mody ifonana!
Izy anie ka mahalala
izay sarotra fantarina
Miverena ary ao am-bala
amin'ny fo miaiky marina


Andriamanitra Rasera
tsy azonao vidiana
amin'ny soa aderadera
sy ireo asa fanampiana
Tsy ireny no mamafa
ireo aferanao maloto
koa mandehana re mitafa
sy mibaboka amin'ny Tompo


Sanatria mamingavinga
na koa hoe manambany
Fa Andriamanitra tsy lava-piringa
ka rehefa poritra vao ho any
Izy foana iresahana
na amin'ny soa na an-karatsiana
Izy foana ivavahana
na feno na an-tsy fisiana


Andriamanitra ry zandry
tsy mandray kolikoly
ka rehefa misy nodimandry
dia mody asiana baiboly
sy iram-pivavahana
ho fanaovana velomany!
Anefa toaka no nibahana
ny androm-pahavelomany


Andriamanitra ao ambony
tsy azo ambakaina
fa ny famindram-pony
dia ho an'ny velon'aina
--------
Rohy:
Sokajy : Torohevitra
2040 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 04/07/2013 13:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143