Sikileta (Skual)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka...
Inty no atao hoe sikileta
seza kely roa kodiarana
tandremo ianao mitetateta
fa tsy hay io raha tsy ianarana

Mety hamarina any an-kady
raha toa ianao ka zefazefa
mbola eto zahay mivady
hanoro anao ny trai-kefa

Any aloha atao ny maso
be ny fandrika, fantaro
eo ny sakana sy ankaso
Iry ny tanjona,tratraro

Zanako a!
Ny sikileta tsy tsianjery
raha tsy efa andrarezina
k'aza maika ny handeha irery
sy tsy te ho fehipehezina


I dada anie tsy hoe mifehy e!
Manara-maso fotsiny ihany
Hanahoana ity tarehy
raha mitrosona amin'ny tany?

Mbola ho avy ilay fotoana
halefa irery ianao tsy an-kiera
Hihevitra anay ho eo foana
ka tsy maintsy hianjera

Ho mafy amiko izany Peta a!
Ny reninao indrindra indrindra
Ny fiainana dia sikileta
Soa lavo hahay hamindra
--------
Rohy:
1241 1
Mpakafy: Daniel.R
Hevitra mandeha
Zozoro ( 23/07/2013 15:43)
Mankasitraka. Misaotra nizara e!

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Skual
Nampiditra : Skual.R
Daty : 18/07/2013 17:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141