Dila ny ela sy ny ela e (So)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Elaela tsy nandalo ,tato anaty tonokalo
elaela tsy nametraka izato diapenina
elaela tokoa satria dia tena sarotra ny dia
elaela nangingingina satria dia donainampahoriana

Varian nitoloko sy nanangondranomaso
Nitaraina ,naka saina fa toa be ny ankaso
ankehitriny efa miran'endrikany tenanay
satria dia tonga saina fa tena ampy zay.

Veloma hatreo ry taraina
manomboka izao ianao dia hialamaina
satria nifoha izao ilay ambompo natory tao
Nihamaty nihalefy ilay ratrampoko tao

Ankehitriny hoy aho dia hiova ny famindra
Ny tsiky sy ny hafaliana no harindra
efa nihavao ny saina
Hanadino anao taraina

ka ny hikampandresena izo dia ny hoe:
efa Dila ny ela sy ny ela e!!!!

30desambra 2005
--------
Rohy:
1191 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : So
Nampiditra : SOBIKA
Daty : 30/12/2004 20:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138