You are here: home > Vetso

TIA MANGINA - SOANIARY

TSIARO, RAKITRA SAROBIDY
TAMBERINA, SENTO MANGIDY
NO HANEKEKO NY LASA HO TADIDY
HANDRAVAKA NY ANIO SY NY HO AVY
HANOVA NOFY MAMY NY FO HO FALY

TENA MISANGY IANAO RY FITIA
KA HANGINA ZANY FOKO TIA

TARA-PAHAZAVANA FA TSY FAHARESENA
FAHANGINANA FA TSY FITOMANIANA
FANANTENANA FA TSY FANKAHALANA
KA TSY HATAOKO FANTATR'IZA AKORY
FA RAVA NY FEFILOHA NIHOATRA NY KAMORY

KA FILAMATRA HAMPITONY ZANY FO
NY HOE TIA MANGINA SOA TOKOA

Sokajy : embona, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : SOANIARY

Nampiditra : loloniary
Daty : 16/01/2006
Mpamangy : 1863
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Nofy niserana
HIVAVAKA AHO
LAZAO
FITIA SY FITAKA

Hevitra mandeha

andriary (16/01/2006 13:49:38)

lasa poety ny havako!
tsara e!voahy indray ny manaraka

hery (17/01/2006 12:54:54)

Fa aza atao majuscule daholo :-)

andriary (07/02/2006 10:58:51)

iza ary ity tia mangina ataonao tonokalo ity!sao mba izaho...

Hametraka hevitra

Midira aloha