Hatoky (Solo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATOKY AZY TANTERAKA AHO (Hb 2,13)

Teny ampy hampitosaka hafaliana feno fatra
Feo mamalifaly fo
sy mahasambatra tokoa
Ny hoe “matoky anao” izay mivoaka avy ao an-tratra.

Tenin-tiana mahalaza ny ho avy lakalaka
Hantahanta sesilany
Orokoroka tsy lany
Satria “matoky” ka tontosaina izay kinasa.

Tenin-dray andry iankinana, tenin-dreny tena tiana,
Atolony an’ireo ho “fara”ny
Ireo hanohy ny tantarany.
Eny sambatra ny zanaka rehefa itokiana.

Tenin-joky toa ray, fandrotrarana mandimby
Mampanantena fisondrotana
Toky azo isarangotana
Amin’ilay fotoana mahamalomaloka iny.

Tenin-kavana anatonana raha sendra adin-tsaina,
anaty haizina ny tena,
ka ny maso toa jambena.
“toky” iray dia ampy ho masoandro hamelona aina.

Teny entin’Andriamanitra hankahery sy hanampiana
An’ireo izay nofidiany
Sy ireo olon-tena tiany.
Ireo tokiny tanteraka amin’ny asam-pitoriana.

Teny entina hanamafy ny finoana tiana hivelatra
Hanamafisana safidy,
hilanjana ireo adidy
ny hoe : “Hatoky Anao aho, hatoky Anao tanteraka”.

Antsirabe 08 Aogositra 1998
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
2046 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solo
Nampiditra : marozevo
Daty : 18/04/2006 17:48
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138