Hira (Solo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HIRA

Tsy voafetran’ny fotoana na ny toerana iorenana
Ny hirahiran’ny fanahiko.
Fa isaky ny misy tsiahy sy tadidy mitamberina :
Mipongatra izy hanetsika ahiko.

Hafaliana safononoka mamelombelona ny aina
Satriko hasiana feony.
Ny alahelo mampanjombona, adim-po sy adin-tsaina,
Tiako ho heno ny toreony.

Vonifanjam-pitiavana, mampidoboka ny fo
Ho nentin-drivotra eny ho eny.
Soa fa teo ny hirahira, heno etsy sy eroa
Hampitambolona azy ireny.

Fitiavan-dray sy reny naha olombanona ahy
Nangatsiaka toa antara.
Nony nokaloin’ny molotro sy vetsoin’ny fanahy
Namaivain-kafanàna.

Tanindrazan-tena tiako, nolovako tamin-dRazana
Ka ahy manontolo.
Raha tsy natao an-kira angamba dia ho zary ngazana
Sy tany lavavolo.

Finoana velona ato anatiko, hitodihako amin’ny Ray
Nosoratako ho vavaka.
Tsy ho nameno ny hafaliako raha tsy efa injay
Vita kalokalo miavaka.

Eny izao tontolo izao sy ny zava-misy aminy
Na ny ratsy na ny soa.
Ny eto akaiky ho zehena ny lavitra tsy hita laniny
Tonga hira avokoa.

Antsirabe 3 febroary 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1870 1
Mpakafy: ikalamako
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solo
Nampiditra : marozevo
Daty : 18/04/2006 17:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014