You are here: home > Vetso

AZA MIOLONOLONA - Solofomanjato

AZA MIOLONOLONA

Sompanga mitokana irery
Tsy haitra fa zaran’ny tany
takalon’ny lambany very
Dia ny landy no aempaka ihany
Satria tanilanila-mizàna
Mihambo ho tsy lefin’ny taona
Ka mandoka ny reny nihantana
Nefa mba olona foana

Totorebiky ny tia tsipy sandry
Hitora-damba amin’ny haizina
Ka sarotro natao lafi-mandry
No vingitiny ho aron’ny laizina
Nefa matoky hava-mànana
Ka manàla ny kely tsy hamindro
Manantena izay fahatelon-tànana
Ho tratr’alok’akoho ; nidi-bingo

Manaràna fo raha mbola velona,
Fa samy ho any ambatobetelina,
Tsy himpody, fa dia hody mandry ;
Rangolahy no fandriana miandry ;
Tanimena no eo ambony loha ;
Lambamena no atao satro-doha
Tsy hivahiny, fa honina….
Alaviro ny tia olonolona.

SOLOFOMANJATO

Hevitra mandeha

Zozoro (27/05/2009 19:47:24)

Mahalina, mahafinaritra.
Mahay ny mpanoratra.

raozigasy (28/05/2009 00:20:12)

mahafinaritra e

Hametraka hevitra

Midira aloha