Diso ve ? (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hadisoako ve… ?
F’ilay fitiavako efa feno;
Naparasaky ny vovo
Novelarinao ho ahy ;

No natsangako ho eo
Amoron’hantsan’ny longoa,
Ilay namandrika ahy tsinahy !!

Diso ve aho … ?
Raha ny hanitra sy tsiron’ny
Fitiavana tsy voalotom-
Panirian’ny filàna !

No nohoseko ankodimiran’ny
Fitiavako hotohoto
Zary lasa fankahalàna ?


Mahadiso àry ve… ?
Raha ireo bitsiky ny foko
Voaravaka fitia
Nisalorako hatrizay

No nafatratro ho any
Ampara-idin’ny malia
Mandrapihavin’ny….
Tia ahy,

…Ho rakitra mandrakizay


Hadisoako tokoa ve… ?
Ny hibaboka aminao
F’ireo tsantan’ny fitia
Fikalontsika takariva
No naronjiko ho ao
An-dozoky ny….ho doria
Mba tsy ho
…Fantatr’iza n’iza !!!


Solofomanjato 1996
--------
Rohy:
1043 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 05/01/2009 10:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116