IREO TSARA INDRINDRA (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireny tsara indrindra tamin’ireo izay fantatro.
Narafitro hanjary antson’ny ao an-tratrako ;
Ka manainga embona handrafitra tsikelikely
Ny endrikao mitsiky mitopy mena mavokely !

Moa ny tany tsy ho levona ?
Moa ny izao tontolo izao hateza ?
Moa voarefy ny habakabaka ?

Nefa….
Ireny rehetra ireny hikoa,
Ireny rehetra ireny ho rava,
Ireny rehetra ireny ….hanjavona.

Tsy mba toa anao….Ireny rehetra ireny ;
manam-pahataperana no sady mora may….
Fa an’ny fanahy, mikalo ombieny ombieny,
Mihira ny tontolon’ ny fitia Mandrakizay !

Impiry akory izay,
Ny gadon-tongontsika miara-miantraika
Impiry akory izay,
Kaloinao ny eritreritro tsy nolazaiko akory !
Impiry akory izay,
Ianao tomany irery, amin’ny adin-tsaiko ory.
Impiry akory izay,
Impiry, impiry ireny, isika indray miteny zavatra ankiray

Sombinaiko, ry malala !
Toy ny feom-baliha milantolanto fiantefa
Ny hiran’ny fontsika indray mitempo ny fanahy
Ka tiona iray ihany no injany mihararetra,
Satria ny fanahinao mifampiresaka amin’ny ahy
« Moa tsy zava-kanto izany ? »

Malala a !
Tsy haiko ny vetson’ny fitia hatao hosodoko,
Tsy tratrako soratana ny retsiky ny saiko
Tsy araky ny tanako ny bitsiky ny foko
Fa…Tia anao aho… izay no izy, sombinaiko !

Hany azoko lazaina, teny tsotra ihany.
« Izaho no ianao », izay no mba kasaiko !
Tsisy teny hafa tena mahalaza izany ;
Fa….Tia anao aho… izay no izy, sombinaiko !

Toy ny rivotra iaianana !
Toy ny orana fahavaratra ;
Toy ny lohataona maina ;
Toy ny sarin’ny fitaratra ;
Toy ny nofy sy fisainana….
Toy izany ianao … amiko !

Tsy azo anoharana fa ny « tsy maintsy misy ».
Nalahatry ny vintana, fa anjara voatendry !
SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
1445 3
Mpakafy: benasy - accolade - barinesy
Hevitra mandeha
Zozoro ( 06/02/2009 17:30)
...zava-kanto ...indrindra fa ilay famintinana :rivotra iainana, orana fahavaratra, lohataona maina, nofy sy fisainana. Sarin'ny fitaratra ??
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 06/02/2009 09:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141