MAMELÁ AHY RAIKO (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMELÁ AHY RAIKO


Raiko o !
Iangaviako ianao
Mamelà ahy, raha tojo tokoa ilay silaky ny nofo sy fanahiko hatrizay
Fa nohariana izaho sy izy, handresy ny fotoana,
Raha toa ka tiany izany !

Raiko o !
Iangaviako ianao,
Izato tenabeko raha ilaina mba ho sorona noho ny fitiavanay
Dia ekeko, ka zakaiko hatrany antaranoana,
Raha toa ka tiany izany !

Raiko o !
Iangaviako ianao,
Asa re, mba fantany ? Fa foiko izao rehetra izao raha toa ahasambatra azy
F’izay no faniriako ; izy sambatra eto an-tany.
Raha toa ka tiany izany… !

Raiko o !
Iangaviako ianao,
Ny vavaka rehetra fanonoko ireny, handefitra aho anio , fa aoka ho azy
Atambaro manontolo, ka tolory ho azy izany.
Raha toa ka tiany ihany !

Raiko o !
Raha toa ka tiany anio,
Hosokafana ny foko hataony fandiavana ilay fitiavako madio
Ka ny ràko koa vakio fa voasikotra ao ny anarany
Sy ny amin’ny tantarany
Iangaviako anao izany!

Tsy mba misy olikolika na koa fandrika hamono
Tsisy toerana mihitsy ho an’ny fitaka sy lainga
F’efa feno ny momba azy sy ny « izy » manontolo
Manantena azy hiantso… F’efa vonona hanainga !



SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
1089 3
Mpakafy: accolade - barinesy - benasy
Hevitra mandeha
Zozoro ( 24/02/2009 19:15)
...Sambatra "izy"...
hery ( 26/02/2009 10:14)
gravy ihany an
pissoa ( 16/03/2009 11:40)
Fitiavana re izany ...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 24/02/2009 10:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116