Matoa (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATOA MISY


Matoa misy ny tomany, ka marary koa ny fony.
Nisy jaly tany ho any, ka ranomaso no antsoiny !

Matoa misy koa ny sento mipololotra avy any anaty,
Ry malala arafeto, ianao no tiany mandra-maty !

Matoa misy ny alahelo, nofitahin’olon-tiana ;
Izany fony hoe mba antero, ndrao variana dia variana !

Matoa misy koa tsy fidy, ka namoy ny hava-tiany
N’iza n’iza efa voavidy ho an’ny fasana fodiany

Matoa misy koa ny faly, mirana avy ny eto an-tany,
Lavitra azy izay ny jaly, lavitra azy ny tomany .

Matoa misy koa maraina, … Tao ny alina nodiasiny
Matoa mbola velon’aina… Tao ny Tompo notiaviny

Matoa misy fiadanana, dia tsarovy ataovy an-tsaina
Tsy noho ny hery na fanànana, Fa tamin’ny Avo nandrandraina

Matoa misy mangatsiaka, d’efa lasa ny hafanana
Matoa misy ny baliaka, dia tsinana efa tsy tamàna


Matoa misy izao sy izao
Matoa misy izaho sy ianao
Araiketo ho tantara
Fa milahatra ao ny Anjara.



SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
978 3
Mpakafy: benasy - accolade - barinesy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 12/01/2009 09:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153