You are here: home > Vetso

MPITOLONA - Solofomanjato

MPITOLONA


Misy ireo mitolona ho an’ny tanindrazany
       Somampimampy rà  ny ketron’ny hidivazany
Misy ireo mitolona ho an’ny fahafahana
       Hamahana ny fatoram-pangejan’ny fanjanahana
Misy ireo mitolona mba ho fahatratrarany
       Ny kirin’ny herim-po hanakatra ny tsarany
Misy ireo mitolona hampiadana finaritra
       Ho an’ilay malalany, ka vonona ny hiaritra

Misy ireo mitolona amin’ny fahafatesana
       Tsy te hisanda ny ainy ho an’ny tsy hay refesina
Misy ireo mitolona sy miady amin’ny fo
       Hanandra-piderana an’Andriamanitra tsy toha
Misy ireo mitolona mba hanjakan’ny rariny
       Fa mivandravandra loatra ity kisarintsariny
Misy ireo mitolona hisian’ny zo mitovy
       Hikoa ny zara vilana na an-jovy na ho zovy

Misy ireo mitolona amin’ny fahantrany
       Tofezaka sy refon’ny mosary tsisy fiafarà ny
Misy ireo mitolona f’efa voky tafahoatra
       Nefa tsy mety afa-po fa mbola satry handoatra
Misy ireo mitolona ho amin’izay hataina
       F’efa jifa omaly ilay sosoa anio maraina
Misy ireo mitolona amin’ny adin-tsainy
       F’ireto harem-bevava toa hanambà ka ny aina

Misy ireo mitolona ho ilay tena tianao
       Fa singam-boam-pasika amin’izao tontolo izao
Misy ireo mitolona any amin’ny tena ady
       Ho soron’ito taniny, toa hitany sahady.


SOLOFOMANJATO

Hevitra mandeha

accolade (08/05/2009 16:32:40)

Aza adinoina, fa misy ireo mitolona mba hanitsahana azy... Misy koa ireo mitolona mba hofahanan-dalitra !!!

Hametraka hevitra

Midira aloha