NY VOLANTSIKA (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VOLANTSIKA



Iny volana iny
Tsy natao ho ahy irery fa indrindra koa ho anao
Mampivelatra ny tarany ho amin’izao tontolo izao
Hitondra tsikim-pifaliana, toy ny fo tsy manan-tsiny

Ny volana iny mantsy izany
Misy sentony ao, sy kika ; misy kalo sy tomany
Misy vetso nofinofy, misy fo mifamotoana
Tsy mampaninona azy izany, fa mbola velon-tsiky foana

Iny volana iny ihany
Mora renoka tsy tazan’ny ireo tsy mba salobonim-patraka
F’efa voky sady feno ny falihavanjan’ny eto an-tany
Nefa tena lafo vidy amin’ny ireo malaina hisaraka

Nefa raha io volana io
No mba azoko iangaviana, hampita ireny tsantanao
Ka ny fonao no asidino, ny masonao no akimpio
Dia nofiso koa ny tanako mamihina ny rantsanao

Iny volana iny koa
Ivetsoan’ny any lavitra, takona any ambadika any
Hanakatra iny habka iny, hifamotoanantsika roa
Hampitony ireny sentoko ; hampangina ahy tomany,


Solofomanjato
--------
Rohy:
1302 3
Hevitra mandeha
Zozoro ( 02/04/2009 19:56)
Hitambaran'ny vetso, ny hafaliana, ny tomany.
maeva74 ( 11/06/2009 21:28)
Raha mba azo hiangaviana tokoa mantsy iny volan'iny, mahaliana ny tononkalonao ry Benasy
mangidy ( 13/06/2009 00:24)
Nefa aoka izay ilaozy ny varavaranay e!
Avelao ho maizina eto ny torimasokelinay..

Iny volana iny, indramiko mba ho ahy
Amerina ny hehy nambabo ny fanahy
Ilay taratra hazavana izay nahitako anao
Tsy tiako ho fafana, taloha ka atramizao

Ilay bitsika mangina nampisy fifaliana
Niarahana nizara teo ambony farafara
Ny hehy sy tomany zay nifandimby koa
Ho ravakin'ny alina ka nampihetsipo

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 02/04/2009 13:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133