You are here: home > Vetso

RAHA HO TONGA NY ANDRO IRAY - Solofomanjato

RAHA HO TONGA NY ANDRO IRAY


Rehefa tonga ny andro iray ka handaozako ito tany
S’ilay ora notinendrin’ny anjara tsy ivalozana
Ka handona ambaravaran’ito nofoko ito izany
Dia ny soratro sy kalo sisa tsy hanam-pahalovana.

Raha hoavy ny andro iray hisarahako amin’ny tiako
Ka ho ranomaso indray no dimbin’ny hany fifaliako
Ao venteso ho tra-maraina, ireo bitsiky ny foko,
Ndrao mba hampisinda ombieny, ny antsoantso sy toloko

Tsy maintsy hoavy mantsy izany, sady tsy mba mampandre
F’izay no andrasana eto an-tany, tsisy afa-bela sy afa-miala
Tsy mba mila tolo-tena, fa maka ireo malain-kandeha
Hanamboatra ny andro lasany hiova lasitra ho tantara

Faniriako sady mamiko, amin’ny andro ilefasako
Mba ho ny rantsan-tananao no hanirina ny tavako
Ka raozy mena mavokely alahatrao an-dohafasako
No dina vaontsika indray ho porofon’ny fitiavako.


SOLOFOMANJATO

Mombamomba

Mpanoratra : Solofomanjato

Nampiditra : benasy
Daty : 03/07/2009
Mpamangy : 1492
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

F' ANGAHA
FIAINANA
HO INONA ?
MIJOROA
TSY MAINTSY VE ?
AINA
TSY HO VERY MAINA
NY POETY
TSY IZAHO
SAMBATRA.....

Hevitra mandeha

endrika01 (03/07/2009 18:03:57)

Raozy mena,mavokely...Mhhh,ny aina manam-petra;fa ny asa-soratra hitoetra.

Azo atao koa ny manolo lay ,raozy mena,mavokely ;ho trafon-kena sy tantely hoany hafa!!!

benasy (04/07/2009 06:50:29)

Ny hafa ve hoy ianao ? izay hivokisana no mahamaika azy, haka tsirony ihany.... ! fa ankoatr'izay tsy takany.

tsiambaratelo (05/07/2009 11:13:24)

tsara lay haingam-panahy,mahalasa saina ny aminy
fiainana aorian'izao hita izao.

Laaris (08/07/2012 17:13:54)

d raha ts n tanany v d ts iirna n maso?mafnartr zareo a!zay makanareo fona e!

Hametraka hevitra

Midira aloha