You are here: home > Vetso

SAMBATRA..... - Solofomanjato

Sambatra izy, fa misy anao antenainy
Eny, tana sambatra izy….
Sambatra izy, fa ilay tiany nandrandrainy
Mandravaka ny tokantranony
… Sy ireo hantan’ny ankizy !

Sambatra izy, f ’ireny tsikinao ireny izao
Ho toy ny  kindriandriana kanto
Ho toy ny mbola vaovao
Ireo tsiambaratelo maminy
….  Feno angolanao milanto

Sambatra izy, sy ny sainy,  
Eny, tena sambatra ….
Sambatra afaka mamihina ny vatanao mihararetra
Ka indro ianao ilay sombinainy
Mifalihavanjan’olon-tsambatra

Sambatra izy, nampiadanina !
Henika ny « ianao » tontolo
Tsy mihafahafa, fa mitia anao tsy misy fetra
Ampy hivalamparanao ny aminy
Sy ny « izy » manontolo

Eny, sambatra izy sombinaiko !


SOLOFOMANJATO

Hevitra mandeha

Zozoro (28/05/2009 22:08:17)

Kanto...Sambatra izy...

Moa tsy izany koa no iriny ho azy hatrany !...

arofanina (03/08/2016 15:39:32)

Nozaraiko tao @ vondrona facebook "ONJAONJAM-PITIA TONONKALO" fa tiako loatra !

Hametraka hevitra

Midira aloha