TSY KIVY (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY KIVY


Raha tianao ho fantatra ny anton’izao,
Dia tsarovy ny lasa ka visavisao ;
Fa ny omaly sy anio samy tsisy nanaiky
Hitondra ity hafatro mangidy tsy laitry
Ny fo diso tia, kanjo nombàn’ny jaly ;
Fa tsy satry ,hono, mantsy ny hitrosa ny tsy àry !

Ianao aza mino, fa misy maraina,
Ka nahoana aho no tsy afaka hiandrandra masoandro ?
Tsy ny fo sy fanahy entanin’ny saina,
No hamaly ilay kitram-pitia anjoanjo
Ka ilay hafanana nokoloiko hatrizay,
Efa lasa niofo ho fitia miahiahy ?

Sanatriaviko anefa, esory ao an-tsaina ;
Aza afangaro ny mety amin’ny diso,
Na ny foko maratra mila haningotr’aina,
Na ny saiko torovana hiandry lava ny ampitso ;
Dia samy efa lasana hitady mazava ;
Satria tena mino f ’any misy sahaza !



SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
1902 2
Hevitra mandeha
Zozoro ( 21/01/2009 13:40)
Tena marina izany!

Misaotra fa tena mihatraika any am-po tokoa, fanamboarana ny fiainana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 19/01/2009 09:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105