TSY VOTERY (Solofomanjato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY VOATERY


Tereko hanoratra ny tànako,
Hanoritsoritra ankamehana ny endrikao an’eritreritra !
Tereko hisidina ny eritro,
Hanefinefy nofy iray, misy antsika mifandray !
Tereko hamboraka ny foko,
Hitantara ilay fitiavako safomorom-pahasmbarana !
Tereko hijoy ny ranomasoko,
Hampitobaka ny foko mitafotafon-kafaliana !
Tereko hamorona ny saiko,
Ilay tononkira tsara indrindra ho fehezam-boninkazo !
Tereko ho manga koa ny lanitra,
Mba hiara-paly amiko ny voronkely tia mikalo !

Moa voafetranao ny hira ?
Ka tsy hisy iray intsony mba hisento ny fitiavako !
Moa voafefinao ny saina ?
Tsy handefa vetsovetso etsy andavaragana etsy !
Moa voagadranao ny volana ?
Tsy handefa irony tarany hitrebika ny efitrano !
Moa voatohanao ny patraka ?
Tsy hitendry koa ny tafo, ka hangina ny vinaniko !
Moa voatazonao ny aina ?
Ka tsy ho vonto ny fanahiko, ampoka fitiavana azy !
Moa voasakanao ny foko ?
Tsy hamihina ny fony, ka handao ny mety maty !

Indro raiso ho anao ny foko !
Azonao anarànana, azonao ivalamparana ;
Azonao volena ny fitiavanao madio
Azonao anamparana, azonao ifaharana,
Fa natokako mihitsy mba hiadananao anio !





SOLOFOMANJATO
--------
Rohy:
1153 3
Hevitra mandeha
Zozoro ( 14/02/2009 10:09)
...Aza mangina ry valiha...

Raha izao fitiavanao mitafotafo izao no tsy ekeny ho raisina ! dia asa re ...!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofomanjato
Nampiditra : benasy
Daty : 14/02/2009 06:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099