Andron\'ny mpifankatia (Solofondrandimby)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao maraina dia tazako ny Lanitra:
Nahafinaritra ery! tsy nanam-paharoa!
Ny voron-kely no nihira hoe \"Salanitra!
Mifohaza fa ny \"Androtsika Roa\" mifoha.\"

Tena jambena mihitsy ny Maso,
Tena nangorakoraka sy tofoka ny Fo,
Ny Fanahy dia feno tebiteby ihany koa.
Faly sa tomany? tsy hay \'zay nahazo.

Ravehivavy, alina, efa tsy nahita tory.
Ralehilahy moa, netim-pahazarana, nanofinofy.
Samy niantsoantso ny Fitiavana fa ory:
\"Rahampitso ho avy hanala ny sory sy ny rofy\".

Andro iray nomen\'ny Ray Masina ao Ambony
Ka iza no tsy ahatsiaro hoe: Sambatra?
Velona noho ny Safosafo sy Orokoroka mitambatra?
Tsy misy andro tahak\'izany: mampiadana, mahatony.

Mba nahinjitro Am-pinoana koa ny tanako,
Nakopako ny helatro tanaty Rivotra Mandoro,
Nihikiaka mafy aho hoe:\" Aiza Ianao Rahavako?\",
Dia nianjera moramora aho, tsara torotoro.

Maro no naniry ny Andron\'ny Mpifankatia
Ho andro iray toa zato tsy misy fiafarany.
F\'izaho kosa nanirery, irey nitomany,
Tsy nanana olon\'hotiavina mantsy aho satria.

Mbola hitohy...
SOLOFONDRANDIMBY
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana - Fety
2940 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Solofondrandimby
Nampiditra : Solofondrandimby
Daty : 13/02/2004 20:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099