**DADA SY NENY** (Tahina Fabien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Dadako,dadako ihany
I neny i mamiko hatrany
Ny Fitiavan'ireo no tsy mety lany
Ka valibabena no havaliko izany
.
Faly aho fa manana an'izy roa
Izay mifamatotra manampy ahy foana
Dia ilay nivoady fa lamban'akoho
Ka nikolokolo ahy mandavataona
.
Tsaroako i Neny ilay nanafosafo
Miampy ilay teny malefaka kely
Hoe ny zanako tiako ka vidiko lafo
Ka ataoko mpanjaka toy ny Reny tantely
.
I dada mibata manao atsangory
Manao resaka antsikana ampifaly ity zanany
Ary antsipiny mafy mba ahazo ambony
Fanehom-pitiavana,ho mpitoiza taranaka
.
Vinitra kely i dada sy neny
Mibanjina hatrany ilay sombiniainy
Ka mandinika ihany ilay teny omeny
Dia izay ilay fitiavana tsy ritran'ny dada sy neny
.
Inona re avaliko izany e????
Ho fehezam-bonikazo ho an'i dada sy neny
Ah!!Miheno tsara izay anatra omeny
Dia miezaka ho endry ny valibabeny.

*mamiko indrindra ny raiko sy ny reniko*
--------
Rohy:
3435 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147