You are here: home > Vetso

**HO ANAO IRERY IHANY** - Tahina Fabien

HO ANAO IRERY IHANY

Ho anao irery ihany
Ny FITIAVAKO rehetra
Ho anao hatrany hatrany
Ho anao tsy misy FETRA
.
Matokia manana ahy
Ka mitrebona eto an-tany
Sy mameno fanahy
FITIA tsy mety maty
.
Fa fitia tsy mba miofo
Ry malala tiko loatra
Raha hilofoka ny nofo.
Izy ivelatra any akoatra
.
Tsy mba lasalasan'olona
Eny azonao hifaharana
Ilay fitia manoloana
Sa antosam-pahasambarana

Hametraka hevitra

Midira aloha