**Ny foko sy ny saiko** (Tahina Fabien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko sy ny saiko

Lasalasa ny fisainana ,
Refa tojo tena tiana,
Irery an-trano mitaraina
Mila anao anala fahanginana
.
Indro ity foko manirery
Mila anao sakaiza itsapazana
Ilainy foana ianao hiteny
Ireo fitia mba hotazana,
.
Asa re raha tsapanao
Fa zah toa miaina anaty aizina
Mila anao androtsirotsy
Satria ianao no mba sakaizany
.
Tsy ny foko ihany no mila anao
Fa ny saiko ihany koa
Toa mibaiko hoe handao
Vonjeo ilay efa nofidiko
.
Hery roa samy hafa
No mibaiko ny tenaku
Tsy misy diso fa samy mahatsapa
Hoe mila znao ny fiainako
.
Raha zao enao ka manina
Enoy ny tokiko tsy mijanona
NY FITIAVANAO NO PARADISAKO
Ka hajaiko sy atokisako.
--------
Rohy:
2756 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097