You are here: home > Vetso

Ny fitiavanay roa kely - Tahina Fabien

Ny fitiavanay roa kely

Faly aho anio
Raha iventso ny fitiavako
Ho anao rahavako
Amin'ny fo falifaly
Tsy misy tomany
Mba ho anao ihany
.
Jejojejo ny tena
Refa mba hitsena
Dia indreo tsika mihenahena
Samy mitsiky
Dia mifamihina mihitsy
Anaty minitra vitsy
.
Ny tontolo lasa kanto
Ze jinery rehetra izato
To tsy te ampisy andraso
Fa mampitombo ilay fitia
Anaty voary meva erĂ¿
Ilay kalo tsika sy njy
.
Toa vetivety dia dify
Ny ora maro lasa vitsy
Malok'endrika isika
Tsy mahafoy ny fo
Fa satry foana iara-droa
Ka izara ny mamy sy ny soa
.
Fihino aho hoy ianao
Ny fotoana manampetra
Tsika tsy maintsy ifandao
Fa tsy mbola tompo tena
Raha mivoaka dia tendrena
Mafy izany fa EKENA
.
Dia sondrina aho
Tsy mahafoy anao
Te hifanila foana
Mba tsy ho hany zava-poana
Ireo dina sy ny teny
Izay nambara ombeny ombeny
.
Tsy mino ah hoy ianao
Ny tsy voakapoka am'zao
Dia ditra ve ny fitia
Izay ananako,?Sanatria
Ka veloma zato havako
Ianao tiako ho doria
.
Veloma hoy aho
Anaty fo feno fery
Te hirazona antery
Fa ny masoandro no manery
Tsika koa mbola anilan'RAD
Ka tsy sahiko ny niteny

Hametraka hevitra

Midira aloha